Actualités

Radio Fahazavana Hisokatra amin’izay ?


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010


Taorian’ny fivoahan’ireo mpiasa tao amin’ny Radio fahazavana ny fonja dia velom-panantenana indray ny maro amin’izao fotoana, fa mety efa manangasanga any ihany koa ny fisokafan’ny Radio Fahazavana. Karazana lojika ihany mantsy izany taorian’ilay famotsorana ireo mpiasa, izay nomena fahafahana vonjimaika nanomboka ny alarobia teo aloha. Mbola samy mametra-panontaniana moa ny rehetra amin’izao fotoana hoe ahoana no nahatonga iny resaka iny, ary iza marina no nanome ny baiko ? Azo raisina ho paikady politikan’ny FAT koa anefa ireny, satria hanomboka ny alatsinainy izao ny fihaonambem-pirenena. Tsy tena mbola maharesy lahatra ny avy amin’ny Ankolafy Telo anefa ny famoahana ireto mpiasan’ny onjampeon’ny FJKM ireto. Niaraka tamin’ny fisamborana ireto mpiasa ireto moa no nanakatonana ny radio Fahazavana, ny 20 mey 2010, ary nambara tamin’izay fa noho ny antony ara-teknika tanteraka izany, satria tsy nanaja ny lalàna misy ity ionjampeo ity, tao koa ny hoe nampiantrano radio piraty, fiampangana tsy nety voaporofo hatreto.

Maro anefa no mahatakatra fa noho ny antony politika no nanakatonana azy, satria mitatitra amin’ny antsipirihany mihitsy ny tolon’ny Ankolafy Telo ity onjampeo ity, no sady mandefa ny hevitr’ireo manohitra ny fitondrana FAT koa. Ary rehefa nikatona ny Radio Fahazavana dia nanao izay danin’ny kibony amin’izay ny haino amanjery manompo ny FAT, ary mihoatra lavitra noho ny fanehoan-kevitra tao amin’ny Radio Fahazavana aza ny mitranga isan’andro ; ary tsy vitsy mihitsy ireo fihantsiana tsotra izao ny Ankolafy Telo. Hoy indrindra ny mpitolona eny amin’ny Magro iray, tafaresaka taminay manao hoe : «raha toa ka demokraty marina ny FAT dia tokony hamela an-kalalahana ny hafa mba haneho ny heviny na dia mifanipaka amin’ny fomba fijeriny aza. Avelao hisokatra ny Radio fahazavana, dia anjaran’ny mpihaino no misafidy izay mety aminy e !». Lasibatr’io fanakatonana io nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity koa ny radio Mahafaly, an’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe. Manana taratasy fisokafana ara-dalàna io onjam-peo io, fa dia nanaovan’ny Emmo-Reg be midina dia nakatona tsotra izao, fa hoe izay no baiko.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT