Actualités

Radio Fahazavana Any am-ponja avokoa ireo mpanao gazety


  • Zoma 28 Mey 2010

Omaly tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva no nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Fampanoavana momba ireo mpanao gazety sy teknisianin’ny Radio Fahazavana, onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, izay nosamborina rehefa voarohirohy ho «nanohintohina ny filaminana anatiny avy amin’ny filazana vaovao tsy marina».

Naharitra adim-pamantaranandro roa teo ny fihainoana an-dry Lolot Ratsimba, Jaona Raoly, Philémon Raveloarison, Josiane Ranaivo, Tiana Maharavo ary Soavinarivo Tibuce. Mbola niampy mpiambina roa sy teknisianina roa ihany koa izy ireo. Tsy nisy afa-maina izany izy folo mianadahy izay nentina tetsy amin’ny Fampanoavana. Nandritra ny ora roa teo no nihainoana ireo olona izay nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ny alin’ny alakamisy 20 mey teo, fotoana fohy taorian’ny zava-nitranga tetsy amin’ny FIGN. Omaly ihany dia nanambara ny “Collectif des journalistes” fa manameloka tanteraka ny fanagadrana mpanao gazety. Nanao ny asany fotsiny ihany izy ireo ary nampita ny zava-nitranga. Tsiahivina fa efa misy in-droa sahady izao no naiditra tetsy Antanimora ny sasany amin’ireo mpanao gazety ireo. Misy ihany koa ny efa im-betsaka nohainoana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana rehefa voalaza fa nanely tsaho amin’ny haino aman-jery. Miteraka adihevitra hatrany ny tranga toy izao satria mahita ny mpanara-baovao fa miovaova isaky ny haino aman-jery ny fepetra raisin’izao fitondrana izao. Izany aza no heverina ho anisan’ny nampiala ny minisitry ny serasera Nathalie Rabe izay niady hatrany amin’ny fanagadrana mpanao gazety. Tsiahivina ihany koa fa nisy manamboninahitra iray eo anivon’ny Tafika nanome baiko ny olony mba hitifitra ireo mpanao gazety teny Fort-Duchesne nandritra ny tifitifitra tao amin’ny FIGN. Dia mbola misy sahy hilaza ve fa malalaka ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT