Tsarovy ! 20 mey–20 jolay, 60 andro katroka mahery andro iray amin’ity anio ity izao no nisamboran’ny polisy avy ao amin’ny borigady misahana ny heloka bevava na BC Anosy ireo mpiasa sy mpanao gazetin’ny radio Fahazavana, onjampeon’ny fiangonana Fjkm.
Folo mianadahy izy ireo no nosamborina nisesy nanomboka ny alin’io 20 mey io tohin’ny raharaha teny amin’ny FIGN, dia ny mpanao gazety isany Ranaivo Josiane, Ratsimba Solomon (Lolot Ratsimba), Raveloarison Philémon, Randrianarijaona (Jaona Raoly), Soavinarivo Tiburce,
miampy ny teknisianina isany Maharavo Tiana, Andrianasolo Andry, Rakotoson Tsivoho ary “gardien” roalahy dia i Franklin sy Jeannot. Fandranitana olona hikomy no anisan’ny vesatra itazomana azy ireo.
Raha tsiahivina dia nanaovan’ny mpitandro ny filaminana latsak’alina ny ny foiben-toeran’ny Radio Fahazavana. Tokony ho tamin’ny folo ora alina no nigadona tao ny fiara 4x4 maromaro io alakamisy 20 mey io. Hanao fisavana trano no nahatongavan’izy ireo. Naharitra an-tsasakadiny teo izany. Ny lalàna aloha dia milaza fa amin’ny andro mazava alohan’ny amin’ny enina ora hariva no fanatanterahana ny fisavana trano raha ny tokony ho izy, fa izay aloha no nitranga tamin’io fotoana io. Notanana tao amin’ny «violon» tsy azo novangiana nandritra ny herinandro tao amin’ny BC Anosy izy ireo. Ny 27 mey no niakatra fampanoavana ny raharaha ary dia notanana am-ponja avy hatrany izy folo ireo. Niaka-nidina teny amin’ny Fitsarana ny raharaha nanomboka ny 08 jona. Nohenoina, nohadihadiana lalina ireto mpiasan’ny serasera ireto.
Nisy hatrany ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpiaro azy ireo fa nolavin’ny Fitsarana izany ary dia mihitsoka eo ny raharaha. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay fotoam-pitsarana ireto namana mpanao gazety ireto, na efa nisy aza ny fangatahana ny hamoahana am-ponja azy ireo narahina antso sy fanairana toy ny nataon’ny «Collectif des journalistes» sy ny fikambanana mpanao gazety malagasy sy tany ivelany, toy ny «Reporter Sans Frontière» ary koa ny mpanao politika ny tokony hanafainganana ny fitsarana. Ireo Parlemantera iraka avy amin’ny vondron’ny Parlemantera Eoropeanina sy ny Afrika-Karaiba-Pasifika, nandalo teto herinandro lasa koa dia nitaky tamin’ny mpitondra FAT ny tokony hamoahana am-ponja ireo gadra politika sy ny mpanao gazety. Ny hany nambaran’i Andry Rajoelina momba izany dia ny hoe «mahaleo tena ny fitsarana». 60 andro aty aoriana, tsy nahazo fahafahana ny mpanao gazety, mbola gadra politika am-polony maro no mihitsoka any am-ponja tsy mitsara akory. Ao anatin’izany tontolo iainana politika maloto izany anefa no heverin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena hanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena izay hialohavan’ny Dinika Santatra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.