Mampanahy ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny momba ny fisian’ny teratany vahiny hafahafa miditra eto Madagasikara, izay efa manomboka mivoaka ny marina fa mpitsoa-ponenana izy ireo.
Mety ho fomba anankiray hitsapana ny hevitry ny vahoaka amin’ny hampidirina eto ny mpitsoa-ponenana ireny resabe teo aloha ireny, hoy kosa ny Mpahay Fifandraisana Iraisam-pirenena Radanoara Julien tamin’ny fakan-kevitra natao taminy. Rehefa tsy mankasitraka ny olona, dia mody nampidirina tsikelikely. Mahagaga fa tafiditra eto ny olona maromaro, izay “visa” mombana fizahantany fotsiny no nandehanana aty, ary tokony ho narahin’ny fanjakana maso, hoy izy. Tsy misy politika momba ny fifindra-monina avy any ivelany, izay tokony hampifanarahana amin’ny iraisam-pirenena raha ny fanehoan-keviny. Tsy fantatra akory anefa ireny vahiny hafahafa ireny hoe tena ara-dalàna sy milamina tsara, na koa efa eto mihitsy ny vondrona mpampihorohoro. Mifindra lasy sy mitady toerana hamaharana sy hamondronany hery rahateo izao ny silamo mahery fihetsika, izay efa somary voafehy ny any Eoropa, ary mihamafy kosa izany aty Afrika. Tsy misy mandray rahateo izy ireny, ary mifindra lasy sy mamorona ny paikadiny, toy ny fanomanana asa fampihorohoroana hatao amina toerana na firenena samihafa. Moramora kokoa ny hipetrahany aty Afrika satria goragora ny fitondram-panjakana Afrikanina raha toa ka efa sarotsarotra ny any Eoropa. Efa manorim-pihavanana amin’ny fanjakana Islamika izy ireo, anisan’ireny ny ampahany tamin’ny Boko Haram, ka ny any Mali, Nigéria, Centrafrique,… izao matetika dia ny silamo mahery fihetsika tompon’antoka. Aiza no hahafantarantsika na efa tonga eto amintsika ny sasany, hoy izy.
Diso ny paikady momba ny fiarovam-pirenena
Mila fahamailoana be isika eto Madagasikara satria isika Nosy, ary mora ho an’ny mpampihorohoro no miditra eto, hoy hatrany Radanoara Julien. Efa tena miaramila tsara ofana rahateo izy ireo raha mitaha amin’ny eto amintsika, izay ny resaka asan-dahalo sy ny jiolahy aza mananosarotra, hoy izy. Tokony hatsangana ny sekoly fanofanana tafika an-dranomasina sy ana habakaba eto Madagasikara, raha ny tolo-kevitra avy aminy. Zava-dehibe amin’ny Nosy ny sisin-dranomasina sy ny habakabaka, saingy ny eto amintsika, dia somary anjorom-bala izany, fa mbola mirona betsaka amin’ny tafika an-tanety ny ankabeazany. Vitsy ny misafidy ny resaka tafika an-dranomasina kanefa manana 5600 km ny sisin-dranomasina tokony harovana isika. Diso izany ny paikadim-piarovana eto Madagasikara, hoy hatrany Radanoara Julien.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.