Actualités

“Racing Madagascar” Raikitra ny andiany faharoa


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Ho tontosaina ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay any Antsiranana ny andiany faharoa amin’ny Racing Madagascar na ny hazakazaka an-tongotra “trail running à Madagascar” izay karakarain’ny Boogie Events, tarihan’i Patrice Raoull, rantsana mikarakara fanatanjahantena ao amin’ny Boogie Pilgrim izay misahana ny raharaha “Tour opérateur” nanditran’ny 30 taona teo Madagasikara.

Raha ny marina dia hetsika ara-panatanjahantena mifototra amin’ny singa 3 ity fifaninanana ity dia ao ny Défi Sportif izay hanatanterahana ny fifaninanan hazakazaka an-tongotra hanatontosana dingana 6 ho vitaina ao anatin’ny 6 andro, ny “Découverte touristique” handalovan’ny mpifaninana toerana kanto any amin’ny Faritra Diana ao anatin’izany hazakazaka izany ary farany ny “Solidarité sportive” handraisan’ny mpihazakazaka miaraka amin’ny federasiona Malagasin’ny atletisma amin’ny faran’ny fifaninana. Niakatra raha oharina tamin’ny andiany voalohany ny isan’ireo handray anjara satria niakatra ho 29 izany raha 23 tamin’ny 2016 ahitana atleta Malagasy 21, atleta vahiny 8 (Afrikana tatsimo, Amerikana, Argentin ary Suedois). Niakatra ho 7 ihany koa ireo mpifaninana vehivavy raha 2 izany tamin’ny 2016. Handrasana fatratra ny fandraisan’i Taban Madiba tompondaka tamin’ny 2016.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT