Tsy ara-dalàna mihitsy ny fampiakaran’ny orinasa JIRAMA ny vidin-jiro iainan’ny mponin’Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan-dRabetsara Lita, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC.
15 andro mialoha ny hampiharana izany mantsy dia tokony hisy ny fampilazana hataon’ity orinasam-panjakana ity amin’ny vahoaka mpanjifa, hoy izy. Tokony hisy ihany koa ny fihaonana mivantana eo amin’ny roa tonta, eny fa na dia amin’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa toy ny RNDC aza mba hijerena izay marimaritra iraisana. Tsy nisy anefa io fa ilay fiakarana 7 % ao anatin’ny faktiora no efa vita soratra ka tsy hita intsony izay azo natao. Nomarihin-dRabetsara Lita fa ankoatra ny olon-tsotra any an-tokantrano dia anisan’ny mitondra faisana amin’ity fiakaran’ny vidin-jiron’ny JIRAMA ity ihany koa ny orinasa sy ireo manao asa tenany, mivelona amin’ny herinaratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.