Actualités

Rabehaja Jackie Ernest, Mpitsara «Mangina noho ny aiko sy ny fianakaviako»


  • Alarobia 13 Oktobra 2010


Tsotra ny fanazavany ka nilazany fa «noho ny fiarovako ny aiko sy ny ain’ny fianakaviako dia aleoko mangina mikasika iny toe-javatra iny. Faharoa dia voafehin’ny ‘code de déontologie’ sy ny ‘code d’éthique’ amin’ny maha mpitsara amperin’asa koa aho ka tsy manan-kambara fa mila alalana avy amin’ny ministry ny fitsarana mpiahy anay. Fahatelo na mpitarika ny SMM Toamasina aza aho, dia tsy afaka hitondra tenin’ny SMM fa ny filohanay ihany no manan-jo hitondra teny izany. Ary fahefatra farany dia misy ny fotoana hanginana ary tsy maintsy ho avy koa ny fotoana hitenenana». Na teo aza anefa ireny zava-nisy teo amin’ny mpitsara naman’izy ireo ireny, dia miasa toy ny andavanandro ireo mpitsara amin’izao fotoana izao, ny fitokonana rahateo raha ny baikon’ny filohan’ny SMM nasionaly dia mifarana aloha taorian’ny fihaonana tamin’ny filohan’ny FAT na tsy mahafaly ny ankamaroan’ny mpitsara aza izany. Araka ny tsiliantsofina dia hanao fivoriambe tsy ara-potoana ny zoma ho avy izao handinihana ny tohin’ny tolona ireo SMM, ka izay tapaka eo indray no harahina manomboka ny herinandro ho avy io, na hitohy ny tolona na hekena ny tapaka farany. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT