Noraisin’ny filoham-pirenena Malagasy teny Iavoloha ny printsy Alexandre Louis Pierre Grimaldi izay eto Madagasikara nanomboka omaly. Hiompana betsaka amin’ny asa sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny fivahinianan’ny mpanjakan’i Monaco amin’ity taona 2017 ity.
Hitondra fanampiana hoan’ny toby Akamasoa Andralanitra tantanin’ny mompera Pedro Opeka ohatra ny fikambanana «Association Monaco Aide» tarihany. Hitsidika ny tapany atsimon’i Madagasikara ihany koa ny printsy Albert II de Monaco amin’izao diany fanintelony taorian’ny taona 1997 sy ny volana marsa 2003 izao. Nanodidina ny 4.017.000 euros ny famatsiambola tetikasa avy amin’ity fanjakana ity teo anelanelan’ireo taona roa ireo. Nanomboka niroborobo rahateo ny fiaraha-miasan’ny fanjakana roa tonta ny taona 2002 izay nisokafan’ny masoivohon’i Monaco faha- 104 manerantany teto Madagasikara nandritra ny fitondrana Ravalomanana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.