Actualités

Praiminisitra Solonandrasana Nanondrana indray…


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Samy manana ny fihetsiny sy toetrany mety tsy ho ampoizina ny mpitondra fanjakana na tompon’andraikitra ambony na any ivelany na eto amintsika, ary maro no manaraka akaiky sy liana amin’izy ireny.

Misy ny mety hampihomehy na hahatezitra ny olona arakaraka ny fisehony. Mety ho fihetsika hiniana atao, saingy maro ihany koa miseho ho azy indrindra rehefa vory vahoaka. Ny praiminisitra Malagasy Mahafaly Solonandrasana Olivier indray no nanondrana tany Ankaramalaza. Tsy hay aloha na sendra namaky teny na niondrika tsotra fotsiny no sendra azo sary, fa ny fahitana azy dia natory am-pilaminana tsy nisy ahiahy nandritra ny toriteny, ary azo sary soa aman-tsara. Tsy hay na mafy tokoa ny asan’ny praiminisitra noho ny adidy sy andraikitra iantsorohany eto amin’ny firenena, ka reraka ny tenany, ary izao resin-tory izao na ahoana. Toe-javatra mety hiseho ny toy izany, saingy ny nanahirana, dia teo amin’ny seza voalohany no nisy azy, ka mora ho an’ny mpaka sary no nipika an-tsary izany. Maro ihany koa anefa ny milaza fa efa zatra manondrana ny praiminisitra, ka isan’ny nanafintohina izay nahita na mivantana na tamin’ny fahitalavitra, indrindra fa ny mpino katolika ny fihetsiny tamin’ny 29 janoary 2017 teny Mahamasina, nandritra ny lamesa notarihin’ny kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakan’ny Fiketrahana Masin’i Vatican .Nandray ny eokaristia ity olom-panjakana ity, dia namindra vitsivitsy ary nataony am-paosy ilay eokaristia. Masina tena Masina ny eokaristia ho an’ny Katolika, ary io fihetsika nataony io dia azo heverina ho toa ny fanimbazimbana ity fiangonana ity, ary tena nahatohina olona maro.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT