Actualités

Pr Tsiavaliky Célestin “Hotsarain'ny tantara ny Seces”


  • Zoma 11 Janoary 2013

«Tapena-maso ve ny SECES sa lasa jamba ? Tapenana sofina ve sa lasa marenina ?». Io no nambaran’ny Pr Tsiavaliky Célestin, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa sady mpanorina ny “Olympiade” teto Madagasikara, raha nitafa taminay omaly.

 Maro hoy ity mpitarika ny fikambanana Dahalo Tonga Saina (DTS) ity ny tsy fanarahan-dalàna misy eto amin’ny firenena amin’izao. Notsiahiviny ny zava-nisy tsy araka ny tokony ho izy taloha sy tao anatiny ary taorian'ny fifidianana an'ireo ho tompon’andraikitry ny oniversitem-panjakana saika manerana ny Nosy teo iny izay nahabe fitarainana indrindra. «Dia hotsarain'ny tantara eto isika Seces manoloana izao fanapotehana ny toe-tsaina maha mpampianatra mpikaroky ny Oniversite izao raha tsy mbola miteny manoloana ny tahotra sy ny horohoro izay heverintsika ho modely halain'ireo mpianatra zanatsika tahaka, dia anjarantsika tompony ny samy mieritreritra», hoy i Tsiavaliky Célestin hatrany.

 

 

Marina fa ilaina ny fahanginana mba hisainana indraindray, fa raha manoloana ny zava-maro tsara homarihina kosa tsy izy intsony. «Tsy olona na kandidà no miady sy iadivana fa ny rafi-pifandraisana izay hifampitondrana no irina hotsaboina sao dia ho lasa aretina homamiadana hamono ny maha Oniversite ny Oniversite malagasy», hoy izy nanipika sy namarana ny fanazavany.

 

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT