Itrangana savorovoro ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (SPAT) omaly alarobia 22 septambra. Nobahanan’ny mpiasan’ny SMMC, orinasa mikirakira ireo entana misaritaka (en vrac), sy ny CCIT (Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Toamasina) mitambatra ny vavahady faha-5 miditra ao, ka tsy azo nidirana.
Araka ny nambaran’ireto mpiasa mitokona ireto dia makany amin’ny MICTSL (orinasa mpikirakira kaontenera) avokoa ny 75%-n’ny fidiram-bola eo anivon’ny seranan-tsambo, ary ny 25% sisa no mba makany amin’izy ireo. Vokatr’izay dia tsy misy vola miditra firy ny orinasan’izy ireo izay misahana ny entana misaritaka sy ny entana lany fetr’andro tonga eo anivon’ny seranana. Sady nihidy no feno sorabaventy ny vavahadin’ny seranana io omaly io. Nisy fiantraikany tamin’ny asa tao izany. Nanoloana izany dia tonga nihaona sy nifampidinika tamin’ireto mpiasa mitokona ireto ny Tale jeneralin’ny SPAT, omaly mitatao vovonana. Nambarany tamin’izany fa dia «tsy azo ekena ny fitokonana tsy mahazo alalana ao anatin’ny tokotan’ny SPAT izay izy ireo no mpiaro ny tombontsoan’ny fanjakana sy ny vahoaka maro an’isa». Nitaona ireo mpiasa hampitsahatra ny fitokonana izy ary nampanantena ny hifampidinika hamahana ny olana. Omaly tolakandro tamin’ny efatra ora moa no nanaovana ity dinika ity.
Marihina fa samy tsy misy ao Toamasina ireo tompon’andraikitra voalohan’ny SMMC sy ny CCIT mandritra izao fitokonana ataon’ny mpiasa izao. Manaraka ny AS Fortior any Ambatondrazaka ny tale jeneralin’ny SMMC, eto Antananarivo kosa ny filohan’ny CCIT.
ENCADRE
Tonga tao an-tseranan-tsambo, niaraka tamina fiara 4x4, ireo mpiambina manokan’ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina, nandrava sy nanala ny sora-baventin’ireo mpiasa mitokona. Iraky ny andrimasom-pokonolona izany izy ireo araka ny filany, ka saika niteraka sakoroka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.