Actualités

Port Toamasina Niverina niasa ny MICTSL


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

800 tapitrisa ariary isan’andro ny fatiantoky ny MICTSL, orinasa misahana ny fibatana Kaontenera ao amin’ny seranan-tsambo, nandritra izay fitokonana nanomboka ny 28 septambra hatramin’izao izay.

Sambo miisa sivy tokony hanatitra entana no nitsoaka ary mpandraharaha maro sy orinasa tompon-tsambo maro no very mpanjifa sy very vola ihany koa tao anatin’izay fotoana izay. Nanomboka omaly alarobia 06 oktobra tamin’ny 6ora maraina, dia niverina niasa ny orinasa Mictsl ary nalana ireo kaontenera nibahan-dalana teo amin’ny “gateway”. Nisy rahateo ny fanambarana lehibe nataon’ny Tale jeneraliny, Dorsamy Gassen, tamin’ny mpiasa fa “tsy hisy sazy na fandroahana na fampitahorana ho an’ireo mpiasa miverina mamonjy ny asany”. Vokatr’izany dia maro tamin’ireo mpiasa tsy te ho tapaka karama sy tsy mankasitraka ny fitokonana no namonjy ny asany. Nanomboka omaly io koa izany ny fampidirana sambo, ka sambo tokana izay efa niandry efatra andro teny afovoan-dranomasina hanatitra entana, an’ny MSC, no sambo noraisina voalohany taorian’ny fitokonana. Ny 16 oktobra izao kosa ny sambo manaraka hanatitra sy haka entana horaisina manaraka.

Ho feno dimy taona ny 16 oktobra ho avy izao ny nandraisan’ny MICTSL ny fisahanana ny fitobiana kaontenera eo anivon’ny seranan-tsambo. Tamin’io fotoana io no vita sonia ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny ICTSL avy any Phillippine.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT