Actualités

Port Toamasina Kaontenera tsy mazava nisy namoaka


  • Alarobia 01 Septambra 2010


Ny 27 aogositra 2010 dia nisy Inspecteur de Police iray avy aty amin’ny FIP Antananarivo sy lehilahy iray, miaraka amina «transitaire» sy vehivavy iray tonga tao amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina amin’ny andro amin’ny folo ora alina. Namoaka entana izy ireo ka fiara vaventy roa no nitondra ny kaontenera misy ny entana nivoaka ny seranana. Rehefa nosavaina ny taratasy, dia tsy mifanaraka ny nomerao voasoratra amin’ny kaontenera sy ny fahazoan-dalana hivoaka. Ireo Polisy moa dia nilaza fa baiko no azony’ hiambina an’ireo kaontenera ireo fa misy vehivavy izany no nolazain’izy ireo fa tompon’andraikitra amin’ireo entana ireo. Voatery notanana ao amin’ny kaompanian’ny seranan-tsambo ao Toamasina ireo fiara roa sy ny kaontenera, ary atao ny fanadihadiana, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. 

Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT