Nigrevy ny mpianatry ny Polyteknika Vontovorona omaly talata 7 febroary. Tsy fisian’ny jiro teny amin’ny toeram-ponenana sy ny toeram-pianarana no antony.
Efa fahatapahan-jiro fa tsy delestazy intsony, satria tsy niara-niverina tamin’ireo tanàna manodidina ny herinaratra tao amin’ny Polyteknika Vontovorona. Ny sabotsy sy alahady tontolo andro no tapaka tanteraka ny jiro. Niverina kely ny alatsinainy tapakandro maraina avy eo tapaka indray. Nihevitra ny mpianatra fa hiverina hirehitra ny jiro ny alatsinainy hariva, kinanjo niandry vasoka. Betsaka no nandry fotsy fa tsy nahavita nahandro sakafo. Saika miankina amin’ny herinaratra rahateo ny fahandroan-tsakafon’ny mpianatra eny Vontovorona toy ireo eny amin’ireo toeram-ponenan’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana rehetra. Vao mainka nampitombo ny hatezeran’ny mpianatra izany, ka nahatonga ny fihetsiketsehana omaly izay niitatra fanimban-javatra, ny fianarana rahateo voaelingelina. Nisy mpianatra roa naratra, mpivarotra iray toran’ny hatairana vokatry ny fipoahan-javatra. Tonga teny an-toerana ny Emmo-Reg, nandrava ny fibahanan-dalana nataon’ny mpianatra. Niverina omaly antoandro ihany ny herinaratra. Asa na noho ny tahotry ny mety ho fiitaran’ny hetsiky ny mpianatra fa dia nihazakazaka nanamboatra ireo fitaovana simba teny Vontovorona omaly ny Jirama.Azo atao tsara ihany kay izany ny mamerina haingana ny jiro rehefa masiaka ny fitakian’ny mpanjifa .
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.