Raikitra ny fandrafetana ny politikam-pirenena momba ny asam-panjakana. Nanomboka omaly no nanatanterahana izany etsy Antaninarenina, izay nampahafantaran’ny minisitry ny asa sy ny asam-panjakana
Maharante Jean de Dieu. Natomboka tamin’ny atrikasa avy hatrany ny fotoana. Mila jerena ny zavatra takian’ny vahoaka eo amin’ny asam-panjakana, anisan’izany ny fomba fiasa tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny minisitra nandritra ny lahateny nataony. Tokony hosarahana ihany koa ny lafiny teknika sy ny politika hisian’ny fanavaozan-drafitra amin’ny fitantanana ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fametrahana mazava ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny fanavaozana sy ny fiovana eo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana mba hifanaraka amin’ny drafitra nasionaly momba ny fampandrosoana na ny PND. Tokony hisy vokany azo tsapain-tanana avokoa ny asa rehetra, hoy hatrany izy, mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.