Sady nikasi-tanana no nisintona taratasin’ny fiara ! Malaza ho manao herisetra indray izao ny polisy sasany mpandrindra ny fifamoivoizana, toy ny nitranga teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 sampanana mankany Ankaraobato ny harivan’ny talata teo. Taksibe iray tapaka “transmission”, ka tsy afa-nihetsika teo an-tsisin’arabe, no lasibatra. Tsy nisy fanazavana fa nosintonina avy hatrany ny taratasin’ny fiara ary voakasi-tanana ny mpamily, rehefa nitabataba amin’ny “tsy rariny” ireo mpandeha tao anatiny. Omalin’io, alatsinainy antoandro, teo Ankadimbahoaka, fiara minibus anankiroa tsy miasa fa niantsona teo amin’ny faritry ny fivarotan-tsolika iray eny an-toerana no indray voasintona taratasin’ny fiara, tsy nisy alaharo. Ny nahagaga dia tsy nanome ilay taratasy kely milaza fahadisoana ireo polisy, nandeha fiara 4x4 tamin’io, fa “nanotra” ary tsy nanaiky hamerina ny “papier” raha tsy nahazo 10.000 Ar isaky ny fiara. Soa fa tsy ny rehetra no manondrana, saingy manaratsy endrika ny polisy ny tranga toy izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.