Actualités

POLISIM-PIRENENA MAHAJANGA Ho henjana ny sazy miandry an’ireo manao kolikoly


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Hentitra ny talem-paritry ny polisim-pirenena ao Mahajanga Rafanomezantsoa ny amin’ny fandresen-dahatra ireo namany amin’ny ady atao amin’ny kolikoly eo am-panatanterahana ny asany andavanandro.

Tsiahivina fa anisan’ireo sampandraharaham-panjakana matetika ahazoana fitarainana avy eo anivon’ny Bianco ny polisy, indrindra ireo misahana ny fifamoivozona. Nanentana ireo namany ny talem-paritra hiala amin’ny fomba mahazatra azy ireo mba hisian’ny fiaraha-miasa matotra. Hisy ny fepetra ho an’ireo tsy manara-dalàna. Nitondra ny fanamarinam-pananany teny amin’ny birao misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta eo fampandrosoana ny firenena. Ny mpitandro ny filaminana rahateo dia miaraka amin’ny Bianco amin’ny fisamborana ireo olona voarohirohy noho ny resaka kolikoly toy ny niseho tao Maevatanana farany teo iny. Polisim-pirenena avy amin’ny faritra Boeny hatrany no tonga nanao io fanambaram-panana io raha mbola miandry ny avy amin’ny faritra Melaky sy Betsiboka.

                                                                                                                                  Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT