Actualités

Polisim-pirenena Hanangana sendikà ary hanatsara ny fomba fiasa


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Voatonontonona ny mpitandro ny filaminana tato ho ato manoloana ny resaka kolikoly misy eo amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy, amin’ny kidnapping ary amin’ny raharaha maro samihafa toy ny asan-dahalo sy famatsiana fitaovam-piadiana.

 Nivory nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo ka hatramin`izao anoratana izao mba hiara-mikaon-doha ireo tompon’andraikitra ambony rehetra mba hijery ny mety hiombonana, hiraisana, hoentina hitadiavana paik'ady mendrika kokoa sy rariny kokoa mba hanatsarana ny endriky ny polisim-pirenena. Manoloana izany, mila fanamafisana ny rafitra an-tanatohatra eo amin`ny fibaikoana mba hahamarin-toerana ny andrimpanjakana ka hananan`ny vahoaka fahatokisana hatrany ny polisim-pirenena. Manaraka ihany koa dia mila fahavononana hanatsara ny fomba fiasan`ny polisim-pirenena, indrindra amin`ny alalan`ny fampiharana ny vina efa napetraky ny minisiteran`ny filaminam-bahoaka hatramin`izay. Hodinihana mandritra izao fivoriana izao ihany koa ny fametrahana sendikà eo anivon’ny polisim-pirenena ary hanomanana ny fivoriambe izay hotanterahina ny 24 martsa ho avy izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT