Actualités

Polisim-pirenena Hanamafy ny traikefa azo tamin’ny 2016


  • Zoma 13 Janoary 2017

Nahazoana traikefa maro ny fandalovan’ny fihaonamben’ny Comesa sy ny Frankofonia tamin’iny taon-dasa iny ho an’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena manokana,

raha ny fanazavana nomen’ny minisitry ny filaminana anatiny, Anandra Norbert, nandritry ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena tetsy Antanimora omaly. Hanamafy traikefa no tanjon’izy ireo amin’ity taona ity, raha ny fanazavana, satria raha ny fantatra dia hisesy amin’ity volana janoary ity ny fahatongavan’ireo olo-manankaja vahiny, hoy ny minisitra, raha tsy hilaza ny filoha Tiorka sy ny avy ao Vatican. 2.165 ny isan’ireo polisy nahazo fiofanana tamin’iny taona 2016 iny, raha ny tatitra voaray, raha toa ka 2.681 no novinavinaina hotratrarina, izany hoe 82,87%. 68 ireo polisy voasazy ary 12 kosa no niditra am-ponja ary tsy nanavahana grady izany, raha ny tatitra hatrany.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT