Actualités

«Podium» may tao Antsirabe Legalista iray niakatra Fampanoavana


  • Alatsinainy 19 Jolay 2010


Ny alakamisy 15 jolay teo no nandalo fampanoavana amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antsirabe ny raharaha “podium” may ny ankatoky ny 26 jona, fankalazana ny fetim-pirenena sady faha-50 taonan’ny fahaleovantena rahateo tao an-toerana. Ho an’izao fitondrana izao dia mazava fa ny legalista avy hatrany no nosoketaina ho tompon’antoka amin’izany. Tsy niandry ela fa vao mangiran-dratsin’io alakamisy io dia tonga teny am-pelatanan’ny depioten’Antsirabe I, Randriamiandrisoa Ernest, ny taratasy fiantsoana fa dia mila manatona ny polisy izy amin’ny valo ora maraina, io andro io, hatao fanadihadiana. Tsy niandry ela fa taorian’izay, araka ny loharanom-baovao dia nakarina teny amin’ny fampanoavana ny raharaha. Ny tao moa dia mazava ny azy fa raha misy zava-mitranga ao Antsirabe dia tsy miala aminy ny FAT.

Asa na noho ingahy depiote anisan’ny mpitarika mavitrika amin’ny fanentanana ny legalista ao Antsirabe no maha lasibatra azy lava izao, satria tsy vao izao fa raha nisy andian’olona tonga koa tao Antsirabe iray volana lasa izay, nilaza fa hanala tamin’ny toerany ny Ben’ny tanàna dia voaantso ihany koa ny tenany, fa hoe mitarika olona hikomy. Hatreto aloha, ho an’ny mpanara-baovao dia miendrika fanapepoana ara-moraly avokoa ny zava-mitranga sy antsojay mihatra amin’ny legalista ao Antsirabe sy Vakinankaratra amin’ny ankapobeny. Demokrasia sy fahalalana moa no notoriana sy nitarihana olona an-dalambe nataon’ny mpitondra FAT amin’izao fotoana izao, ny zavatra tsapa anefa dia am-bava fotsiny ihany izany, fa tsy mihatra, hany ka itadiavana hirika hisamborana sy hampidirana am-ponja azy avokoa izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT