Naharitra enim-bolana ny fiketrehana ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana na ny «Plan National de Développement». Efa nandalo teo anatrehan’ny filankevitry ny minisitra niaraka tamin’ny fankatoavana izy io.
Misongadina ao ny fanondrotana haingana ny harin-karena Malagasy manomboka ny taona 2015 hatramin’ny taona 2019. Ho 5% ny fitombony amin’ity taona 2015 ity. Ho lasa 7% amin’ny taona 2016 ary ho 9% ho an’ny taona 2017. Ho tratra kosa ny harin-karena mihoatra ny 10% manomboka amin’ny taona 2018. Mifototra amin’ireo sehatra samihafa ny fampiakarana ny harin-karena, araka ny voarakitra ao amin’ny PND. Anisan’izany ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena ankibon’ny tany, ny orinasa afaka haba, ny tao-trano sy ny asa vaventy, ny fizahantany ary ny fitaterana. Ilaina ny fampitomboana ny tahan’ny fampiasam-bola izay vinavinaina ho 19% amin’ity taona 2015 ity raha mihoatra ny 46% amin’ny taona 2019. Fepetra roa takiana amin’ny fanatontosana ny tanjona napetraka ny fanomezan-danja ny fitantanana mahomby miaraka amin’ny fanjakana tan-dalàna ao anatin’ny roa taona voalohany hisarihana ny fampiasam-bola.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.