Actualités

PM tany Mampikony Fandaniam-bola mihoapampana


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Nitsoriaka tany Mampikony, faritra Sofia ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny alakamisy lasa iny. Niara-dia taminy tamin’izany ny Sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana Rafatrolaza Bary Emmanuel.


 Fiaramanidina manokana, nofaina, no nitondra azy ireo tany Mampikony, nitokana ny tranon’ny lehiben’ny distrika rehefa avy nasiam-panavaozana. Nanokatra masoivoho vaovao ao an-toerana ihany koa ny banky BNI Madagascar ary dia niara-notokanana tamin’io fotoana io. Niteraka resa-be tao Mampikony io anton-dia io sy ny fandaniana mihoapampana naterany. Trano nohavaozina no ndeha hanaovana lanonam-be, notokanana ? Tsy vitan’ny lehiben’ny distrika na ny prefen’Antsohihy ve ny fitarihana ny lanonam-pitokanana izany raha tsy maintsy notokanana ? Tsy naleo ve natokana nanorenana fotodrafitrasa hafa ny vola lany tamin’ny fanofana fiaramanidina manokana ? Santionan’ny fanamarihana sy fanontanian’ny olona tao Mampikony ireo taorian’io tranga io. Sa izao no tonga amin’ny hoe : ny vola misy fa ny handaniana azy no tsy fantatra ? Efa notaterina teto rahateo ny nampakarana tampoka, ho avo roa heny ny “indemnité” an’ireo mpiasan’ny Primatiora nanomboka tamin’ity volana desambra ity. Nifarana ny faran’ny volana novambra ihany koa ny fanaovana “engagement” amin’ny fandaniana ataon’ny fanjakana, ka mety nisy ambim-bola be ve ny an’ny Primatiora ka tsy maintsy atao na foronina ny lanonana samihafa handaniana ny vola ? Satria izay ilay fanjakana tsara tantana !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT