Actualités

«Pipeline» Galana Manangareza Mitatao ny loza, mitohy ny halatra amin’ny fandavahana azy


  • Alakamisy 20 Mey 2010

Tafiditra amin’ny fankalazan’ny Galana ny faha-10 taonany amin’ity taona ity, ny fanentanana ny rehetra amin’ny fanaraha-maso sy fanampiana azy ireo amin’ny fanenjehana ireo mpandavaka ka mangalatra ny solika amin’ny fantsona lava be avy amin’ny seranan-tsambo hatreny amin’ny Galana Manangareza.

«Mitatao ny loza ankehitriny, mitohy hatrany ny fandavahana ny fantsona amin’ny fangalarana ny solika mandeha ao anatiny. Ny tsy hitrangan’ny zava-nisy toy ny tany Nigeria no tsara sorohina dieny izao fa sao tara isika ka hanimba zavatra sy hamono olona maro eto». Izay no nambaran’ny Tale misahana ny mpiasa sy ny fifandraisana ivelan’ny orinasa, Victor Randrianarison. Nohamafisin’i Jocelyne Ralaiseheno Talen’ny fampitaovana izany ka nilazany fa “tokony hatao faritra mena ny faritra andalovan’ireo fantsona lava be mpitondra solika ireo. Efa niezaka ny nanaisotra ka namindra ireo olona tafiditra tao anatin’izany ny Galana fa tsy kely lalana hatrany ny mpanao ratsy ka miha sarotra indray ny raharaha ankehitriny». Ho an’i Albert lehiben’ny laboratoara sy ny tontolo iainana dia «tsy ny tsiranoka entin’ny fantsona no tena loza mitatao amin’ny mety ho firehetana, fa ilay etona entiny sy fofona avoakany, ka tsy ny afo ihany no mety hampirehitra azy fa ny finday sy ny afon-tsaribao ihany koa. Mihoatra 01km ny toerana fipoahana ny fahavoazana raha sanatria ka tonga ny loza, manginy fotsiny ny hafanana sy ny fofona ary ny fahalotoan’ny tontolo iainan’ny mponina».

Matanjaka sy manana mpiaro ireo mpangalatra solika. Efa betsaka no tratra ary misy ny mpiverin-dava fa hatramin’izao afa-maina tsy misy sahy mikitika. Tao anatin’ny telo volan’ny taona 2010 monja dia efa 25 ny halatra tsikaritra, ny farany teo aza dia barika am-polony no tratra niaraka tamin’ny fitaovana fanaovana ny halatra. Mitarazoka sy mihisatra anefa ny raharaha eny amin’ny fitsarana izao. Raha ny halatra efa nitranga kosa dia 05 no hita ny taona 2006, 02 izany ny taona 2007, tafakatra 08 ny taona 2008 ary tonga 21 ny taona 2009. Eo anelanelan’ny amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 5ora maraina no tena fanaovan’ny jiolahy ity halatra solika amin’ny fantson’ny Galana ity, ary efa hain’ireo mpangalatra ihany koa ny fahatongavan’ny sambo mpitondra ny solika avy any ivelany sy ireo mpaka solika ho an’ny faritra hafa. Amin’io fotoana io, araka ny fanazavana hatrany, dia 1 hatramin’ny 2mn ny famenoana barika 200 na 250 litatra iray, nefa tsy latsaky ny 10 no fenoan’ireo mpangalatra mandritra ny halatra ataony. Ny fiara mpitatitra olona sy ny fiara vaventy mpanao fitaterana entana no hamarotana ny solika halatra avy eo, ka manodidina ny 1.500 ariary ny litatra amin’ny gasoil izay tena hangalarin’ireo jiolahy.
 
Ankoatra izay, dia fantatra fa ny 90%-n’ny solika ampiasaina eto Madagasikara dia mandalo eo anivon’ny Galana Manangareza avokoa. Raha sanatria ka tonga ny loza amin’izao halatra amin’ny fandavahana ny fantsona lava be mirefy 5km miainga avy eny amin’ny seranan-tsambo hatreny Manangareza izao, dia hikatso ny toekarena sy ny fiainam-pirenena manontolo.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT