Actualités

Petite vitesse, Isotry, Ampefiloha Mpivarotra tsy ara-dalàna an-jatony no nesorina


  • Zoma 14 Jolay 2017

Anisan’ny toerana tena ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny ny eny Isotry sy ny manodidina noho ireo mpivarotra tsy ara-dalàna milatsaka anaty arabe.

Tonga nanadio sy nanala ireo mpivarotra amoron-dalana teny an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly,  fanadiovana izay niarahana tamin’ireo ekipan’ny Boriborintany voalohany sy ny polisy monisipaly. Nanomboka teny  Petite Vitesse ny asa, nandalo an’Isotry  ary nifarana teny Ampefiloha. Raha ny nambaran’ny lefitra voalohan’ny lehiben’ny Boriborintany I Rafanomezantsoa Mamy Nirina dia tokony hifanentana sy hifampitaiza ary hifanaja mba tsy ho tonga any amin’ny fanasaziana. Nohamafisiny fa tsy hijanona hatreo ny ezaka fanadiovana fa  hitohy manerana ireo faritra hafa. Mpivarotra an-jatony no nesorina sy nentanina mba hamonjy ireo tsena ara-dalàna ankoatra ireo te-hamonjy ny tsenan’Isotry isaky ny andro sabotsy. Hisy moa ny fepetra hentitra horaisina ho an’ireo minia tsy manaraka ny fandaminana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT