Actualités

Pétard sy afomanga Tsy maintsy mahazo alalana vao azo amidy sy apoaka


  • Alarobia 26 Desambra 2012

Maro ny olona tia manapoapoaka zavatra hanamarihany ny hafaliany rehefa fety, indrindra fa hoe mahatratra ny taona vaovao.

 Mailo anefa ny mpitandro ny filaminana sao manararaotra ny olon-dratsy, ka hentitra ny fanaraha-maso ny mikasika ny fivarotana sy fandefasana  “petard sy afomanga” tsy nahazoana alalana. Tsy maintsy mahazo alalana avy amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy ny fandefasana azy ireny ary tsy misy afa-tsy ny “artificier” an’ny Tafika Malagasy ihany no mandefa azy. Ankoatra ny voalazan’ny lalàna dia mba hisorohana ihany koa ny fampiasan’ireo olon-dratsy “pétard” entina hampihorohoroana, eo ihany koa ny loza mety haterak’ireo afomanga ireny eny amin’ny mpiara-monina.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT