Tamin’ny talata 27 oktobra lasa teo no nataon’ny minisitry ny atitany, Mahafaly Olivier, ny fanambarana ofisialy ny hanontana taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara na « permis de conduire biometrique »
vaovao ho solon’ireo vita tamin’ny taratasy matevina teo aloha. Omaly alatsinainy 23 novambra kosa no nambaran’ny Chef CIM Antananarivo, Charlie Hyacinthe Rajaonarison, ny fivoahan’izy io ofisialy eto amintsika rehefa vita ny fandaminana teknika natao. Tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy no nanambarany izany. ka Ankoatra ny nanehoana ny rehetra ny fomba famoahana izany dia nisy ihany koa fanontana « permis biometrique » vaovao maimaimpoana ho an’ireo mpanao gazety nitondra ny fahazoan-dalany teo aloha. Ireo hanavao ny azy dia efa handoa ny sarany 38 000 Ar manomboka eto dia hahazo ny azy, hoy Atoa Charlie. Efa nohamaivanina ny fanoloana ny « permis » ankehitriny. Io sarany io sy ny karatra teo aloha fotsiny na fanamarinana fahaverezana karatra sy ny fanatrehan’ny tompony eo dia efa ampy fa tsy mila mitondra sary tapaka intsony. Hisaorana ny tompon’andraiki-panjakana nanan-kevitra ny hamoaka ity karatra vaovao ity, hoy ihany Atoa Charlie, fa manamora ny ady amin’ny hosoka isan-karazany. Nomarihany fa mbola manan-kery hatramin’ny faran’ny taona 2016 ireo permis teo aloha na dia tsy maintsy soloina vaovao aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.