Actualités

« Permis biométrique » Malagasy Tsy manaja ny fenitra iraisam-pirenena akory


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Vehivavy teratany Malagasy fa am-pielezana any Etazonia, mipetraka any Washington DC no sendra olana raha nikarakara “permis” tany an-toerana ity vehivavy nijoro vavolombelona ity. Rehefa vita ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra hangalana ny “permis” dia nentina tany ihany koa ilay “permis biométrique”

avy aty Madagasikara satria tsy maintsy ilaina iny. Amin’ny maha “biométrique” azy dia efa misy fitaovana fijeren-dry zareo Amerikanina azy tahaka ny “passeport biométrique” ka raha vao  lalovan’ny taratr’ilay fitaovam-pitiliana ilay QR code dia mipoitra ny mombamomba ilay olona tompon’ny karatra. Ilay “permis biométrique” avy aty Madagasikara anefa rehefa nandalo scanner dia tsy mamoaka na inona na inona nefa dia misy QR code tsara, izay tokony hamoaka ny mombamomba an’ilay olona tompon’ny “permis”. Ny valin-teny azon’ilay vehivavy Malagasy avy ao amin’ny DMV (Department Motor and Vehicles) dia hoe : “sandoka ilay “permis”, tsy “biométrique” io fa plastika natonta printy fotsiny”. Ekenay kokoa hoy ry zareo avy ao amin’ny DMV raha ilay karatra fahazoan-dalana mamily fiarakodia valonana telo miloko mavokely taloha toy izay ity karatra kely ity. Dia tsy nahazo “permis” tany Etazonia ilay vehivavy malagasy satria tsy manaraka fenitra amin’ny maha “biométrique” azy ilay “permis biométrique” avy aty Madagasikara. Tsy nisy azony atao  kanefa ny “permis” no solona kara-panondro any Washington DC. Misy telo izy ireo hatreto no nilaza fa samy voan’io tranga io. “Tsara ilay fiovana fa mba tokony hatao manaraka fenitra araka ny tokony ho izy fa tsy sanatria zavatra sandoka no omena ny vahoaka”, hoy ireto Malagasy am-pielezana any Washington DC Etazonia diso fanantenana ireto. Nilaza moa ny tompon'andraikitra iray ao amin’ny “Centre Immatriculateur” Ambohidahy, misahana ny fanamboarana ity "permis biométrique" ity, fa dia entina ao amin'izy ireo ilay karatra misy olana toy izany hohamarinina.


Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT