Actualités

Pentekosta tany Antsirabe 6 mianaka voapoizina tamin’ny sakafo


  • Alarobia 27 Mey 2015

Olona eni-mianaka indray no voapoizina ara-tsakafo nandritra ny fetin’ny pentekosta lasa iny tao Antsirabe. Mponina tao amin’ny fokontany Andafy Atsimon’ny Star ireto niharam-boina ireto ka ankizy 3 mianadahy latsaky ny 15 taona tao amin’ilay tokantrano no tena voa mafy ka voatery tsaboina sy arahi-maso ao amin’ny hopitaly loterana Andranomadio amin’izao fotoana izao.

 

 Voalaza moa fa vokatry ny fihinanana atody manta nahodina na irony “mayonnaise” irony no nahavoa ireto olona ireto ary nitarika aretin’andoha mafy sy fanina miampy fandoavana sy fivalanana ity tamin’ireo niharam-boina ireo. Vokatr’io fanaintainana io sy ny fahaverezan-drano be dia malemilemy tsy mahazaka tena ireo ankizy telo mianadahy  saingy efa nalefa nody kosa ny ray aman-dreniny sy ilay olon-dehibe iray rehefa nahazo ny fitsaboana tandrify azy. Ankoatra izay dia olona 2 hafa ihany koa no fantatra fa tsy nahatsiaro tena  vokatry  ny fisotroana alikaola be loatra   ka voatery nentina teny anivon’ireo hopitaly lehibe roa tao Antsirabe nandritra iny fankalazana ny fetin’ny pentekosta iny. Vokatry ny ezaka manokana nataon’ireo mpitandro ny filaminana dia lozam-pifamoivoizana 5 no nitranga nandritra iny faran’ny herinandro iny sy ny alatsinain’ny pentekosta raha folo mahery izany tamin’ny paska. 

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT