Actualités

Pentekosta tany Ambatondrazaka Nangina noho ny delestazy


  • Alarobia 27 Mey 2015

Somary nangina ny fetin’ny Pentekosta raha ampitahaina tamin’ny Paska ho an’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro.

 

Tamin’ny 10 ora antoandro vao nisy herinaratra ka nangingina ny tapany maraina ho an’ireo tsy mba manana milina manome herinaratra. Betsaka ireo nanantena fa ho foana ny delestazy mandritra ny fety kinanjo mbola nitohy toy ny ora mahazatra ny fahatapahan-jiro. Nisy fiantraikany teo amin’ny fankalazana ny fety ny pentekosta tany Ambatondrazaka io fisian’ny delestazy io. Nilamina ny fety tamin’ny ankapobeny fa ny fahatapahan’ny herinaratra no niteraka fahasorenana ho an’ny ankamaroan’ny mponina tany an-toerana. Tsy afa-manoatra koa anefa ny orinasa Jirama satria kely ny solika azo ampiasaina hatramin’ny faran’ny volana. Nifety tao anaty fahanginana, araka izany, ny ankamaroan’ny mponina tany Ambatondrazaka.

Niry A   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT