Actualités

PDS Rakotovao Mariot Asa telo no tena mahamaika azy amin’izao fotoana izao


  • Alarobia 23 Jona 2010

Taorian’ny fanjavonan’ny PDS ny faran’ny herinandro teo, fa lasa nanara-dia ny praiministra sy ny ministra tany amin’ny faritra Analanjirofo sy kaominina hafa, dia niseho sehatra nihaona tamin’ny mpiasan’ny kaominina ny Pds Rakotovao Mariot, ka nandritra izany no nilazany ny asa miandry sy ny maika hatao hanatsarana ny kaominin’i Toamasina renivohitra.

Asa telo no maika. Ny voalohany amin’izany ny fanatsarana ny fampidiram-bola sy ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola ary ny famoaham-bolan’ny kaominina. Nambaran-dRakotovao Mariot mantsy fa “mahatratra 1,8 arivo tapitrisa ariary ny fampiasam-bola sy famoaham-bolan’ny Kaominina mandritra ny taona iray, ka any amin’ny fampandehanan-draharaha ny 75%-n’ny vola mivoaka. Tsy maintsy hohatsaraina vokatr’izany ny fampidiram-bola, manana betsaka i Toamasina, ny finiavana sy fahasahiana no tsy ampy ka maro ny very anjavony, manginy fotsiny ny gaboraraky ny mpiasa ka ny miditra am-paosy no maro noho ny miditra ho an’ny kaominina”. Ny asa faharoa maika araka ny fanazavan’ny Pds hatrany dia ny fandaminana ny fifamoivoizana izay hita fa gaboraraka ihany koa. Tsy voalaza mazava moa teto ny tena asa hatao fa eo am-pandaminana izany izy ireo ankehitriny araka ny fanazavana nataony tamin’ny mpiasan’ny Kaominina ihany. Ny asa fahatelo farany maika kosa dia ny fanatsarana ny biraon’ny kaominina, izay efa misy nirodana ny tapany andrefan’ny trano. Mbola fanarenana aloha no atao amin’izao, fa ho avy eo ihany ny fanamboarana izany lapan’ny tanànan’i Toamasina izany. Milaza ny tsy handroaka mpiasa ny Pds Rakotovao Mariot saingy tsy mazava ny tena tiany hatao satria ho avy ny fanadihadiana ifotony ny mpiasa mitazona ny servisy tsirairay, ka ho hita eo ny tena mahafehy ny asany hotazonina, ary ny tsy mahavita izany tsy maintsy hosoloina.

Na tsy sahy nilaza ny heviny loatra ireo mpiasan’ny kaominina nanontaniana, dia hita taratra amin’ny valin-teny nataon’ireo sasany namaly fa tsy resy lahatra amin’ny fandaharan’asan’ny Pds vaovao izy ireo. Tsy vao izao mantsy no nihazona toeram-boninahitra ny Pds Rakotovao Mariot. Niasa teo anivon’ny Dynatec niova ho Ambatovy ankehitriny izy no nesorina. Efa ministry ny ala sy ny tontolo iainana koa izy no nesorina dia izao tafiditra notendrena hitantana ny Kaominina isany mampidi-bola be indrindra eto Madagasikara izao indray. Vonona amin’ny asa nomena azy ny Pds araka ny nambarany, ka ho hita eo ny ho tohiny.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT