Anio zoma 18 septambra no ho fantatra amim-pomba ofisialy ireo Ben’ny tanŕna voafidy rehetra manerana ny Nosy, anisan’izany ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo. Mamaramparana ny asa amin’ny maha PDS azy, araka izany,
Ramiaramanana Joseph ka nisy ny fampahafantarany fohifohy ny zava-bitany sy ny olana nosedrainy tao anatin’ny dimy volana nitantanany ny tanànan’Antananarivo omaly. Notsindriany manokana fa anisan’ny olana tena nosedrainy ny fifampiraharahana tamin’ny mponina. Voakasika manokana ny fanalana ireo mpivarotra tamin’ny tsena maro samihafa, ny resaka fanotofana tany…Nambarany ihany koa fa betsaka ny asa vita. Ho an’ny fotodrafitrasa manokana dia nasiany teny manokana ny fanamboarana ny tohatohabato etsy Ambatomena, ny lalana eny Nanisana, ny zaridaina etsy Behoririka sy Ankadimbahoaka ankoatra ny fametrahana jiro manodidina ny ranon’Anosy. Mikasika ny tsena Pochard manokana izay niteraka resabe tato ho ato dia nambarany fa tsy hisy mihitsy ny fanalana mpivarotra fa ny fanakisahana ireo mpivarotra 50 ka hatramin’ny 100 voakasika no hatao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.