Actualités

Pavillon Analakely Tsy mahalafo entana intsony ireo mpivarotra


  • Zoma 12 Janoary 2018

Velon-taraina ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely miisa 800, mivondrona ao anatin’ny FIMPAVA tetsy amin’ny Pave Antaninarenina omaly. Hatramin’ny nisian’ny tsenaben’ny Noely

no ho mankaty dia tsy nety niala intsony ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina azy ireo, fa mivarotra hatrany,  izay nambaran’ny delegen’ny tsena fa tena mamono ny tsenan’izy ireo tokoa sady manimba ny hasin’Antananarivo amin’ny maha vako-pirenena eto amin’ny renivohi-paritany azy. Ankoatra izay, sahirana ny mpiantsena satria ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra feno mpivarotra ihany koa, tsy misy intsony ny “parking” ho an’ireo mpiantsena manana ny fiara raha tsy lazaina intsony ny tsy fandriam-pahalemana. Mangataka ny hihaona mivantana amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely hahafahana mitady vahaolana. Nomarihin’izy ireo fa mpivarotra ara-dalàna ny FIMPAVA ka manan-jo ny hivarotra ara-dalàna sy amim-pilaminana ihany koa. Tsy mitazam-potsiny ny kaominina fa efa mitady vahaolana momba ireo  mpivarotra amoron-dalana marobe eto an-drenivohitra. Anisan’ireny ny fandefasana ilay fiara Mazda mangabe mitondra ny pôlisy kaominaly mitety ny tsena isan’andro, ny fikarakarana ny karatr’ireo mpivarotra…

Pati/ J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT