Actualités

Patrick Raharimanana Nohadihadian’ny zandary nandritra ny 7 ora


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Dosie miisa 3 no nanaovana fanadihadiana an’i Patrick Raharimanana teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary omaly talata 13 martsa, ka naharitra 7 ora ny fanadihadiana natao azy.

 

 Voalohany ny fitoriana napetraky ny lehiben'ny fonjan’i Tsiafahy Zafilahy Vonjy Stéphanson, izay fanalana baraka sy fanelezana vaovao tsy marina. Nangatahan’io lehiben’ny fonja io ny fanokafana ny fanadihadiana sy ny hisamborana ity mpikirakira vaovao sady kandida filoham-pirenena ity avy hatrany. Nanamafy ny nanomezany ny horonam-peo feno, ny sary sy ny fomba nahatafidiran'ny fakan-tsary tao anaty fonja, ary ny famindrana tsy ara-dalàna an'i Houcine Arfa tany Antanimora, izay nanamora ny fitsoahany i Patrick Raharimanana raha ny fanambarany tao amin’ny tambajotra fesiboky. Fitoriana faharoa dia ny resaka fanalana baraka sy fanelezana vaovao tsy marina momba ny famoaham-baovao tamin'ny fahafatesana ben'ny tanàna tany Matsiatra-Ambony ny volana jona 2017. Ny fahatelo kosa dia ny resaka fanehoan-kevitra na “commentaire” nolazaina fa nataony tany amin'ny tambajotra fesiboky an’olona tamin'ny 2016, manalabaraka mpitondra ambony. Ny momba ny fametrahana fitorian'ny talen'ny fonja aloha, dia efa nandrasana satria izy efa nitety haino aman-jery nilaza fa hitory, fa ny nahagaga, dia ny fanehoan-kevitra izay nolazaina fa natao tamin'ny 2016, nefa tsy hitako, sy lahatsoratra nivoaka tamin'ny jona 2017, izay tsy nisy nanao fanamarihina no izao vao apoitra, hoy i Patrick Raharimanana. Toa nifanandrify sy nipoitra ho azy indray andro avokoa, ireo dosie fanenjehana taorian'ny filazako fa kandida ho filoham-pirenena aho, hoy izy. Matoky ny fahamarinan'ny Fitsarana, ary dia ho avy aho amin'izay fotoana hiantsoana ahy. Mijoro hatramin'ny farany aho ho famongorana ity kolikoly mambotry ny firenena ity. Miandry ny fampiantsoan'ny Fitsarana ny tohin'ny raharaha. Tsara ny manamarika fa nanohana ny HVM i Patrick Raharimanana ny fihodinana faharoan’ny fifidianana 2013, ary maharomotra azy ireo ny fanakianana sy ny tsy fiandanian’ity farany aminy intsony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT