Toa nampatsiahy na tsy dia nitovy loatra tamin’ny zava-nitranga ny 17 martsa 2009 aza ny zavatra nitranga tamin’ny fianakaviana Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm ny talata alina lasa teo.
Raha hiverenana ny zava-nisy teny Ambatoroka ny alin’ny talata teo dia lehilahy 4, tsy nisaron-tava no nanafika ny trano onenan’ny mpitandrina Rasendrahasina mivady. Am-pitaka no nahafahan’ireo olon-dratsy niditra tao an-tokantranony satria dia lasibatry ny fitaovana misy herinaratra maherivaika ny mpiambina iray, ka iny no natao fandrika nahazoana niditra tao an-trano, nilazan’izy ireo fa hoe marary ilay olona. Rehefa tafiditra tao an-trano ireo jiolahy dia avy hatrany dia namoha sady nanambana basy ny pastera Rasendrahasina sady nilaza fa nirahina izy ireo. Lasan’ireto andian-jiolahy ireto tamin’izany ny finday maromaro, ireo solosaina efatra, ny vola 2 500 000 Ariary, miampy vola vahiny 300 Euros ary 70 dolara, ary volamena 40g teo ho eo hatramin’ny peratra mariazin’ireto raiamandrenim-piangonana.
Niharan’ny heristera, toy ny tefaka tehamaina koa ny renim-pianakaviana izay tsy mbola natory tamin’ny fotoanan’ny fanafihana. Raha nanontany manko Ramatoa ny amin’izay hoe iza no naniraka anareo dia tefaka nandrivorivo no valin’izany sy valin-teny anavona nilazana fa tsy tokony ho be fanontaniana. Antsasakadiny teo ho eo no naharetan’ny fanafihana ary dia moto no nentin’ireo jiolahy. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy dia tsy fanafihan-jiolahy tahaka ny mahazatra ity nihatra tamin’ny filohan’ny FJKM ity fa mety misy antony hafa mihitsy, ary ny somary nanaitra dia nitranga ora vitsivitsy monja taorian’ilay fanambaran’i Andry Rajoelina ilay fanafihana. Heverina fa misy
Nisy tokoa manko ny entana hafa azon’ireo jiolahy nalaina, saingy ireo zava-saropady ahitana antontan-taratasy sy antotan-kevitra maro, mety ho tsiambaratelo ny sasany, ireo fitaovana misy ny laharan-taribin’ireo mifandray amin’ny filohan’ny FJKM no tena nalaina sy nahaliana azy ireo. Iraka, araka ny nambaran’ireo jiolahy tokoa. Ho an’ny mpitandrina Rasendrahasina moa dia nambarany fa «izay manao ratsy amin’ny olom-piangonana dia mivaly amin’izy ireo daholo izany».
Manoloana izao zava-misy izao moa dia tsy mitazam-potsiny ireo mpitondra fivavahana. Hisy fotoam-pivavahana anio tolakandro amin’ny roa sy sasany etsy amin’ny FJKM Ambatonakanga, hitondrana am-bavaka ny fianakaviana Rasendrahasina sy ny firenena, aorian’izay koa dia hisy ny fivoriana hataon’ireo mpitondra fivavahana handraisana fepetra satria efa tsy rariny intsony, hoy izy ireo. Raha tsiahivina manko dia efa in-telo amin’izao ny filohan’ny FJKM no niharan’ny herisetra noho ny fijoroany amin’ny fahamarinana ary efa nisy mihitsy aza fandrahonana ho faty azony. Tsaroana etoana koa ny zava-nitranga taminy tamin’ny 17 martsa 2009, ka nakana an-keriny ny pastera Lala Rasendrahasina teny amin’ny Episcopat Antanimena. Ireo miaramila niandany tamin-dRajoelina notarihan-dry komandà Charles Andrianasoavina (mitsabo tena any La Réunion) sy ny kolonely Ndrianarijaona André (Cemgam ankehitriny) no nanatanteraka izany.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.