Actualités

Pastera Mailhol Naka toky tamin’ny mpino Apokalipsy


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Nahazo fanakianana mavaivay avy amin’i Fidy Mpanentana ny mpamorona ny Apokalipsy, roa herinandro lasa izay.

 Nilaza mantsy ity farany izay mpino Apokalipsy fahiny fa faminaniana avy amin’ny devoly no azon’i Mailhol momba ny hahalasa filoham-pirenena azy amin’ny 2013. Faminaniana izay nambaran’i Fidy Mpanentana hatrany fa zava-doza no aterany raha sanatria tanteraka tokoa satria ho eo ambany vahohon’ny satana i Madagasikara sy ny Malagasy. Mponina eto an-drenivohitra maro no nahita ilay fandaharana izay be mpanaraka tokoa.

Efa namaly ilay azy ny pastera Mailhol saingy na diso na marina ilay fiampangana azy dia mila mandio ny momba azy ity pastera mpaminany ity. Tsy azo hamaivanina mantsy ireny zava-misy ireny satria vato maro no ho very raha vao mipetraka ao antsain’ny mpifidy ny ahiahy. Ny sabotsy teo dia nitarika fanompoam-pivavahana teny Ambohimarina izay hasiana ny foiben’ny FAM (Fikambanana Apokalipsy eto Madagasikara) ny pastera Mailhol. Nanamafy teo anatrehan’ireo mpino an’arivony ny tenany fa tsy maintsy tanteraka ilay faminaniany. Naka toky ny mbola fankatoavan’ireto farany ny tenany raha ny fahitana ny fihetsiny nefa koa te haneho amin’ny mpanara-baovao fa manana mpanohana maro. Nolazainy tamin’io fotoana io koa fa hahatanteraka ny faminaniana ireo datinandrom-pifidianana amin’ny taona ho avy. Samy miandry izany ny rehetra.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT