Kandida hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ho avy io Atoa Christian André de Donné fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Pastera Mailhol filoha mpanorina ny fikambanana Apokalipsy maneran-tany.
Noho ny fitarainan’ny vahoaka Malagasy izay efa tena difotra lalina anaty fahantrana tanteraka ka mila olon’Andriamanitra mba hamonjy azy ireo no nambarany fa anisan’ny antony nanosika azy handray izany toerana izany raha eo ihany koa ny fangatahan’ireo mpino Apokalipsy mihoatra ny 1 hetsy isa izay tsy mivoaka velively tamin’ny faminaniana efa azony fa mifampitohy aza. Efa nanao izay ho afany avokoa hoy i Pastera Mailhol ny dokotera, ny mpandraharaha, ny manam-pahaizana saingy nanao ny tsy ambinina avokoa izy ireny. Fotoana izao hoy hatrany pastera Mailhol. Efa voalaza rahateo hoy izy fa mpitondra roa aorian’ny filoha Ravalomanana vao hatolotr’Andriamanitra ahy ny fahefana, antony tsy nilatsahako tamin’ny taona 2013. Fomba roa araka ny fanazavany no hahafahany mandray izany fahefana izany. Na hoy izy hisy korontana be sy rà mandriaka eto amin’ny firenena dia apetraka aho na koa amin’ny alalan’ny fifidianana raha sitraky ny vahoaka Malagasy sy ny antoko pôlitika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara izay hanolotra ahy. Notsipihiny manokana anefa fa ny hanafoana ireo karazana kolikoly amin’ny endriny rehetra sy fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena….no hofoanany voalohany raha vantany vao tonga eo amin’ny fitondrana izy ka aza mifidy izay vahoaka Malagasy tsy manaiky izany, hoy izy. Hatreto raha araka ny fanazavan’ny pastera Mailhol hatrany dia tsy mbola misy ireo firenen-kafa miara-miasa aminy fa fanapahan-keviny samy irery izany. Hisokatra amin’ny fivavahana rehetra izy raha araka ny fanazavany rehefa tonga eo amin’ny Fitondrana ary hahazo tombony manokana ny Kristiana rehetra raha toraka izany ihany koa ny antoko pôlitika vonona ny hiara-kiasa aminy. Nandritra ny famaranana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny fiangonana Apokalipsy sy ny fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Radio Fanambarana teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanaovany izany fanambarana izany ny Sabotsy teo. Fananganana ivon-toerana vaovao ho an’ny Radio Fanambarana sy fanokafana ny vata fahitalavitr’izy ireo moa no ho tsangambaton’izany fankalazana ny faha-20 taona izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.