Actualités

Pastera Mailhol Faminaniana sa fampiesonana ?


  • Alatsinainy 07 Janoary 2013

Mihetsiketsika aok’izany ny filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy ny Pastera Mailhol André Christian Dieudonné ankehitriny, izy izay nanambara araka ny faminaniana hitany tamin’ny taona 2000 fa hatolotra azy ny fahefana sy fitantanana ny firenena amin’ity taona 2013 ity.

 Nivahiny tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) ny tenany ny faran’ny herinandro teo ka nandritra izany no nanambarany fa efa vonona tsara mihitsy ny vinam-piarahamoniny sy ny tondrozotrany hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity 2013 ity. Izy rahateo moa dia efa nanangana ny antokony dia ny Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM). Aminy mantsy dia tsy mety raha ny anaran’ny fiangonana Apokalipsy no entiny miditra amin’ny politika satria mety ho sakana amin’ireo mpiara-miasa aminy izany. Hosarahako tanteraka amin’ny fitantanana ny firenena mihitsy ny Apokalipsy, hoy ny pastera Mailhol. Maro no mihevitra fa tsy tongatonga ho azy ny nahafahan’ny pastera Mailhol nivahiny tao amin’ny RFI, fa ao raha. Nandeha be tokoa mantsy ny feo nanomboka tamin’ny herintaona fa hoe : efa anisan’ireo olon’ny Frantsay, hono, ity filoha mpanorina ny Apokalipsy ity, noho izy efa mahazaka olona an-tapitrisany ka noho izany mety manana lanja politika ihany, na mitombina na tsia ny faminaniany.

Fa tao amina fahitalavitra tsy miankina iray ihany koa dia nilaza ny heviny momba ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana ho avy sy ny faminaniany ny Pastera Mailhol. Teo indray no nilazany fa mbola ao anaty tetezamita izy no hahazo ny fahefana, izay nomarihany tsara fa hatolotra azy. Vita izay vao miroso amin’ny fifidianana isika. “Kandida ny tenako ary tsy maintsy ho lany”, hoy izy. Nahitsy fitenenana ny pastera Mailhol raha nilaza hoe : «tsy miraharaha izay mety ho safidin’ny olona aho mandritra ny fifidianana, fa ny fantatro dia izaho no ho filoham-pirenena manaraka eto satria izay no faminaniana voaraiko». Ho an’ireo mitsikera sy manenjika azy kosa dia tsotra ny teniny nanao hoe : «mahandrasa fa 1 janoary hatramin’ny 31 desambra anie ny taona 2013. Ka vita io dia ho hitantsika eo raha tanteraka marina na tsia ny faminaniana».

Ankoatra ireo tena vontom-pinoana ao amin’ny fiangonana Apokalipsy tarihany, dia tsy mino ny faminanian’ny pastera Mailhol ny ankamaroan’ny olona, fa ho azy ireo dia mpanao kajy politika, mpandinika fiarahamonina sy mpanaraka akaiky ny raharaha politika ity pastera ity, izy rahateo dia efa nianatra momba ny matematika teny amin’ny oniversite na dia tsy nahatody fianarana hatramin’ny farany aza, ary indraindray dia toa mifanipaka ny zavatra ambarany. Ny tsy fahombiazan’ny fitondran’i Andry Rajoelina sy ny tsy fahatomombanan’ny fampiharana ny tondrozotra ihany koa, dia toa vao mainka nampitombo ny lanja politikan’ny pastera Mailhol izay tena nahay nilomano fa tsy niandany tamin’izatsy na izaroa. Faminaniana sa fampiesonana ? Tsy maintsy hipoitra tsikelikely eny ihany ny marina.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT