Nanaitra ny filoha mpanorina ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara, pastera Mailhol ny resabe mandeha taorian’ny raharaha BANI Ivato, fa mpikambana Apokalypsy ny lietnŕ-kolonely Charles Andrianasoavina.
“Tsy teto an-toerana nandritra ny iray volana teo aho, fa tany Chine nijery izay fiaraha-miasa azo atao hanitarana amin’ny asan’ny fikambanana. Na izany aza dia nanaraka akaiky ny raharaham-pirenena. Tamin’izany no nandrenesako io feo miely io fa mpikambana Apokalypsy ny lietnà-kolonely Charles”, hoy ny pastera Mailhol. Fanontaniana moa no nasetriny izany, ka nilazany fa katolika koa izany ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, ary Fjkm ny jeneraly Raoelina, izay samy voasaringotr’iny raharaha BANI iny ? Rehefa any Tsiafahy ve ny lietnà-kolonely Charles dia hoe, Apokalypsy ? Raha lojika izany, maninona no tsy ambara koa fa Apokalypsy no nahatonga izao fitondrana ankehitriny izao ? Nametraka io fitondrana io mantsy ny lietnà kolonely Charles, hoy ihany ny fanazavany. Nambarany kosa anefa fa anisan’ireo mpikambana Apokalypsy voalohany tao Fianarantsoa ity manamboninahitra ity ny taona 2000-2001.
Kapiteny ny galonany tamin’izay, raha ny fitadidian’ny pastera Mailhol azy. Tsy nanohy intsony anefa izy rehefa nifindra toerana tany Atsimo Atsinanana tany, ka mahagaga raha folo taona aty aoriana indray no misy izany filazana izany, araka ny fanamarihany. Mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ny vahaolana amin’ny krizy indray dia manamafy izay efa nambarany ny pastera Mailhol. Hisy mpitondra roa mifandimby eto alohan’ny 2013, taona izay hiakarany eo amin’ny fitondrana, araka ny faminaniana nambarany fito taona lasa izay. “Mpanao politika sesitany no ho filoham-pirenena eo”, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.