Actualités

Pastera Josefa Radimilahy Hiala amin’ny toerany i Hery Rajaonarimampianina


  • Zoma 27 Novambra 2015

Manomboka mipoitra avokoa ireo karazana fahitana mikasika ny firenentsika ankehitriny

 

. Nisantatra izany ny an’ny pastera Josefa Radimilahy, lehiben’ny fiangonana fifohazam-panahy ara-tsoratra masina izay manana ny foiben-toerany etsy Madera Namontana. Nambaran’ity mpanompon’Andriamanitra ity fa tsy hahavita “mandat” ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia hiala amin’ny toerany. Ny dokotera Robinson Louis no hiakatra ho filoha aorian’izany, hoy hatrany ity mpanompon’Andriamanitra ity satria efa sitrak’Andriamanitra ny nanohanan’ny filoha Ravalomanana azy hatrany am-piandohana hahazo io toerana io. Nambaran’ny pastera Josefa Radimilahy hatrany fa efa tamin’ny volana novambra taona 2012 no nahita io fahitana io ny tenany. Ny 16 desambra hifoha 17 desambra taona 2013 anefa dia nahita fahitana indray izy fa ny vonim-boasary no hiakatra eo saingy tsy haharitra. Nanambara moa ity pastera ity fa efa fantany ihany koa izay ho filoham-pirenena lanim-bahoaka amin’ny taona 2018. Miantso ny vahoaka Malagasy sy ny mpanao politika rehetra  hihavana ny tenany satria  izao lalana hizoran’ny firenentsika izao dia hitondra fahafahana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT