Actualités

Paska tany Ambatondrazaka 30 naiditra hopitaly, 25 naratra, iray namoy ny ainy


  • Alarobia 08 Aprily 2015

Betsaka ireo niharam-boina nandritra ny fety ny Paska tany Ambatondrazaka. Tao ny tapaka lalandra, nisy ny voatsatoka antsy sy sotro rovitra ary tsy vitsy ireo naratra noho ny fifanosehana nijery fampisehoana

 


 

. Voasoroka ny lozam-pifamoivoizana, fa ny loza nateraky ny herisetra no betsaka tamin’iny Paska 2015 iny. Roa no voatsindrona antsy ka ny iray amin’ireo namoy ny ainy. 25 mianaka ireo naratra naiditra hopitaly ary dimy noho ny aretina hafa toy ny fahatapahana lalandra. Nanamaloka ny fetin’ny Paska tany Ambatondrazaka tamin’ity taona ity io fahamaroan’ny olona niharam-boina io. Ho an’ireo mpitondra any an-toerana dia samy nanana ny fomba nankalazany azy  ny tsirairay. Ny Lehiben’ny faritra manokana dia tao amin’ny fiangonana Ekar Antsahamasina no nanamarika ny fetin’ny Paska.

                                                                    Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT