Efa misokatra ny fanadihadiana manodidina ny zava-nitranga tany Mananjary farany teo izay nampisy disadisa teo amin’ny zandary sy ny mponina tany an-toerana, hoy ny Jeneraly Paza Didier Gérard, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovana.
Mikasika ny fankalazana ny fetin’ny Paska dia zandary miisa 1.500 no hahetsika ao anatin’ilay fenitra Paska ieren-doza. Na eo amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna sy ny manodidina na amin’ny fanampiana ireo fiara eny an-dalambe dia vonona avokoa ireo zandary hihetsika. Tsy dia ny hisava taratasin’ny fiara loatra no tena hataon’ireo zandary ireo fa ny handrindra ny fifamoivoizana sy hampandry fahalemana ny tany mandritra ny fety ary ny hanampy ireo manana fahasahiranana eny an-dalana. Fa mankaiza avokoa ary ireo vatan-jandary ireo rahefa an-davanandro sa tokony ho Paska foana ny andro ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.