Tanjona nofaritana ihany ny « Paska ieren-doza » fa mifanohitra amin’izay ny zava-nitranga.
Raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina fotsiny dia farafahakeliny sivy ireo namoy ny ainy tonga tetsy amin’ny HJRA nandritra ny fetin’ny Paska, ka matin’ny lozam-pifamoivoizana ny efatra tamin’ireo ankoatra ny 180 naratra. Ankoatra ireo dia nisy ny matin’ny toaka ankoatra ny 10 torana nentina teny amin’ny HJRA vokatry ny fibobohana toaka be loatra ka vehivavy ny roa tamin’ireo. Nisy koa ny matin’ny hanoanana ankoatra ny fanapoizinana ara-tsakafo izay nisy telo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.