« Paka fihavanana» ! Io no lohahevitra hankalazana ny fetin’ny paska eto Antsirabe, araka ny fanapahana nataon’ny komitin’ny fety ao amin’ny kaominina Antsirabe.
Toy ny isan-taona moa dia anisan’ny tanan-dehibe mahasarika olona hatrany Antsirabe noho ny maha akaiky azy kokoa ny renivohitra ay manana ny mampiavaka azy hatrany ny fety any an-toerana. Mitombo hatrany araka izany ny fihetsiketsehana miseho any an-toerana ka saika ahitana lanonana avokoa ireo toerana malalaka, toy ny eo anoloan’ny araben’ny fahaleovantena, ny eny amin’ny Piste Vatofotsy, ny any Andraikiba. Ankoatra ny hetsika ataon’ny orinasa Star sy ny Comadis eto an-tampon-tanàna dia misy ihany koa any amin’ireo hotely goavana manodidina toy ny eny amin’ny Admiral Tombontsoa sy ireo maro hafa. Efa nanome toky moa ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiarovana ireny hetsika maro samihafa ireny ka mahazo mahatoky ny vahoaka saingy ny paosy kosa dia samy miaro ny azy satria toy ny isan-taona dia manao andiany koa ny mpangarom-paosy kalaza avy aty Antananarivo. Aoka ho malina !
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.