Actualités

Pasitera maty Miala bala ny Emmo-Reg


  • Alarobia 26 Mey 2010


«Tsy balanay velively no nahafaty ny Pasitera Ranaivo Rivo», raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Emmo-Reg Analamanga, ny Kly Ravalomanana Richard. «Tsy marina mihitsy ny filazana fa izahay no nitifitra io mpitondra fivavahana io. Antony roa ihany no hanazavako izany. Voalohany, tsara ny mahafantatra fa ny tolakandro dia efa maty tao anaty Toby tao io Pasitera io. Tany akaikin’ny toeram-pilalaovana baskety tany io no maty. Zavatra tsy mitombina mihitsy hoe izahay no namono azy satria ny miaramilanay, raha araka ireny hita ireny, dia avy aty Mausolée no niakatra sy nitifitra. Tsipihiko ihany koa fa nanomboka nody masoandro (manodidina ny tamin’ny dimy ora sy sasany hariva) vao tena niditra an-tsehatra nanafika ny toby izahay. Faharoa manarak’izany, rehefa nohamarinin’ny manampahaizana dia tena faran’izay akaiky no nitifirana azy (à bout portant)», hoy ihany ity manamboninahitra ity manazava ny heviny mba hanadiovana ny Emmo-Reg ao anatin’ity raharaha FIGN ity. Raha ny tsikaritra dia manomboka manameloka ity Kly ity ny maro, eny hatramin’ny mpiray fiangonana aminy aza amin’izao fotoana izao. Misy mihitsy aza ny milaza fa hivoaka ny fiangonana raha vao miditra ny Kly Ravalomanana. Mazava ho azy fa hanehoan’izy ireo ny tsy fankatoavany ity ra mandriaka tato ho ato ity io fihetsika io. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT