Tsy nisy Malagasy namoy ny ainy tamin’ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Paris ny alin’ny zoma 14 novambra 2015, ka nahafatesana olona 129 sy naharatrana 500 hafa, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Atallah Béatrice.
Ivandry
Hisy hetsika fiaraha-miory tamin’ny zava-doza namoizana ain’olona 130 tany Paris ny alin’ny zoma teo, hatao eny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho frantsay eny Ivandry anio. Omaly hariva dia nisy fiaraha-mivavaka teny amin’ny katedraly katolika Andohalo, ho fampanjakana ny fandriampahalemana sy tsy fankatoavana ny herisetra.
Androy
Nisy nanafika ny harivan’ny alahady teo ny masoivohon’ny TVM any Androy. Mpiasa vavy iray naratra, very ny fitaovam-piasana toy ny fahitalavitra sy ordinatera.
Fifidianana naverina
Tombanana ho amin’ny 29 novambra 2015 no hamoahan’ny CENI-T ny voka-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana kaominina naverina ny 13 novambra 2015. Raha ny vokatra vonjimaika hareto dia lasan’ny tsy miankina ny toeran’ny Ben’ny tanàna miisa 10 amin’ireo 19 nifaninanana.
Fitakiana
Mitohy ny fitakiana ataon’ireo mpampianatra FRAM manoloana ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambinkaramany nampanantenain’ny fanjakana tao anatin’ny enim-bolana. Nisy ny fitokonana nataon’izy omaly, hitohy anio isaky ny DREN. Nisy ireo nahazo fandrahonana tamin’ny lehibeny.
Fisotroan-dronono
Naroso omaly ny fizarana vola fisotroan-drononon’ireo mpiasam-panjakana taloha. Nanomboka tamin’izany koa ny fanoloana ny karatra vaovao fandraisana fisotroan-dronono.
Vangaindrano
Renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy nilatsahan’ny varatra, tany ambanivohitr’i Vangaindrano. Nieren-doza kosa ny zazakely nobabeny tao an-damosina.
Fifamoivoizana
Tsy maintsy hampangalana taratasy fahazoan-dalana mamily fiara avokoa ireo mpitondra môtô rehetra raha mitohy ny lozam-pifamoivoizana hataon’izy ireo. Tsy mila izany mantsy ny latsaky ny 50 CC. Toraka izany koa ny bisikileta izay tsy manana ny “priorité » mihitsy ka tokony hahafolaka izany ireo mpamily rehetra.
Fifamoivoizana
Arahi-maso akaiky ireo fiara rehetra mivoaka any amin’ny faritra manomboka izao, hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hamoizana ain’olona. Hanomboka amin’ny fanaraha-maso ny entana izany, mandalo amin’ny isan’ny olona miafara amin’ny fanaraha-maso ny resaka mekanikan’ny fiara.
Kitra
Hotanterahina anio talata, amin’ny 10 ora alina ora eto Madagasikara ny lalao miverina eo amin’ny Barea sy ny Lion’i Teranga senegaley. Lalao dingana faharoa amin’ny fifanintsanana afrikanina hiadian-toerana amin’izay hisolotena an’i Afrika amin’ny Mondial 2018 hatao any Rosia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.