Actualités

Parc Reniala ao Mahajanga Nohavaozina ny toerana hipetrahan’ireo gidro madinika


  • Talata 05 Desambra 2017

Ankoatra ny fanatsarana ny asa fanabeazana eto amintsika dia miroso hatrany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny vondrona Star.

Ireo karazam-biby eny anivon’ny Parc indray no niantefan’izany manokana tamin’ity volana desambra ity ka anisan’ireny ny Parc Reniala ao Mahajanga. Nohavaozin’ny vondrona Star avokoa ny toerana hipetrahan’ireo gidro madinika antsoina hoe : microcebes, ka omaly no nanokanana tamim-pomba ôfisialy izany notarihin-dRazafindrakoto Karine, tompon’andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny vondrona Star. Raha tsiahivina dia vao hiditra ao an-drenivohitr’i Mahajanga no misy ny Parc Reniala  manana velarana 25 ha. Zava-manan’aina marobe tokoa no hita ao amin’io toerana io toy ireo karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ka anisan’ireny ireo gidro madinika indrindra maneran-tany satria mirefy 12 sm ny halavan’ny rambony raha 90 grama kosa ny lanjany. Amin’ny alina izy ireny no tena miriaria  raha anaty alabe  sy lavaka amin’ny hazo kosa no miaina rehefa amin’ny antoandro. Noho ny doro tanety nisy tany amin’ity faritra iray ity anefa dia noraisina ao amin’ity parc ity izy ireo saingy tsy nifanaraka tamin’ny toerana tena tadiaviny sy hahafahany miaina indray. Antony nanosika ny vondrona Star hanohana ny tetikasa izany ka gidro madinika miisa efatra ankehitriny no fantatra fa efa miaina ao anatin’io parc iray io. Tanjon’izy ireo ny hiarovana ireto karazam-biby mampiavaka  antsika eto Madagasikara ireto sy ireo zava-manan’aina manodidina azy.

 

 

Pati

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT