Actualités

PARAMED Tsy mbola mivaha ny olana


  • Talata 03 Aogositra 2010


Tsy voavaha tanteraka ny olan’ireo Paramed amin’izao fotoana araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo. Ny hany voavaly sy eo an-dalam-panatanterahana dia ny fandoavana ilay «indemnité de sujetion». Teo ihany koa ny faneken’ny fanjakana hampiakatra ireo mpitsabo mpanampy ho “catégorie 5”, raha toa ka “catégorie 3” no nisokajiana azy ireo teo aloha. Mbola amin’ny herintaona anefa vao tena mihatra izany. Fa ilay fitakiana lehibe dia tsy nahazoana valiny mahafa-po hatramin’izao, dia ny fampiakarana ny marikarama. Hisy ny karazana fivoriambe hotanterahan’ny Paramed rehetra manerana ny nosy ny 2 sy 3 septambra ho avy izao, any Toamasina. Mandritra izany no handinihana ny zavatra hatao indray raha toa ka tsy misy ny valin-teny mahafa-po avy amin’ny fanjakana mikasika ireo fitakiana ireo. Nanamafy anefa ny solontenan’ireo Paramed fa tsy hisy aloha hatreto ny fitokonana, tahaka ireny natao ireny fa dia miandry izay hevitry ny fitondrana tetezamita izy ireo. Ny avy eo amin’ny ministeran’ny fahasalamana moa dia efa nilaza, ihany tamin’ireny fitokonana mavaivay nataon’ny Paramed ireny, fa misy dingana maro tsy maintsy arahina ny fanatanterahana ny fitakian’izy ireo, indrindra fa raha misy resaka vola izany. Ary tsy hoe izay takiana rehetra koa dia tsy maintsy ho azo. Mbola manizingizina anefa ny Paramed, fa manam-bola hahafahana manatanteraka tsara ny fitakian’izy ireo ny fanjakana. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT