Actualités

PARAMED Hiverina indray ny fitakiana


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Misokatra anio ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ny fivoriambe ara-potoanan’ny mpitsabo mpanampy na koa “Paramédicaux” izay haharitra hateloana. Mpitsabo mpanampy 500 avy amin’ny lafivalon’ny nosy no handray anjara amin’izany.

Raha ny fanazavan’i Tsialofana, anisan’ny mpitarika azy ireo, dia hisy ny fanapahan-kevitra goavana horaisina mandritra io fotoana momba ny fitakian’ny «Paramédicaux» izay tsy nahazoam-baliny avy amin’ny fitondram-panjakana hatramin’izao. «Iarahan’ny rehetra manapaka ny paikady hanatsarana ny fomba hitondrana ny fitakiana», hoy ity mpitarika ny fitokonan’ny Paramed tamin’ireny volana martsa ireny. Ankoatra izay dia ny fivoriambe koa no handany ny fametrahana ny sendikan’ny Paramed satria rafitra vonjimaika tsy mahasahana ny firenena iray manontolo no niasa hatramin’izay. Raha ny fanazavan’i Tsialofana ihany dia ny sendika no handray an-tanana ny fitakiana. Ny fampitoviana lenta ny tombontsoan’izy ireo amin’ny sokajin’asa hafa mitovy mari-pahaizana aminy sy ny fanatsarana ny tambinkarama momba ny asa no fototry ny fitakian’ny “Paramed”. Amin’ny maha mpiasan’ny fahasalamana azy ireo dia hanana anjara toerana mandritra io fihaonana io koa ny fanaovana asa soa ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fikarakarana didifoitra faobe sy fijerena tosi-dra izay marihina fa samy maimaimpoana avokoa. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT