Tsy milefitra amin’ny tolona na dia efa misy tapaka karama aza ireo PARAMED. Vao avy nanatanteraka kongresy tany Antalaha rahateo ny fivondronamben’ny “infirmier” sy “sage femme”, ny 27-31 aogositra, ka mbola nanamafy ny tolona ireo mpandray anjara avy amin’ny Faritra 21, araka ny fanazavan’i Valérien Rakotonandrasana, Sekretera jeneralin’ny SISFM.
“Mbola nohamafisina tamin’io kongresy io ilay fametraham-pialana faobe noho ny fanapahana karama nahazo anay saingy tsy mbola niditra amin’izay izahay aloha ho fanajana ny resaka nifanaovana tamin’ny minisitry ny asam-panjakana. Mbola miandry any iny”, hoy izy. Manoloana ny filazan’ny minisitry ny fahasalamana, Dr Ndahaminanjara Johanita, fa averina ny karaman’ireo mitokona mandray asa dia nilaza ny filohan’ny sendika, Rakotondrazafy Aimé fa ny famaliana ny fitakiana no tanjona fa tsy izany velively. Misy 50 eo ho eo moa ireo PARAMED tapaka karama izay samy miasa eto an-drenivohitra avokoa. Hikarakara fitia tsy mba hetra hanentanany ny vahoaka indrindra ny SISFM ato ho ato ka atolotra hanampiana ireto farany ny vola voaangona amin’izany.
Hita ho mbola mifampitsapa hery tokoa ny fanjakana sy ny PARAMED ary samy maneho fihetsika malefaka. Taorian’ilay filazan’ny minisitra ny famerenana ny karama ho an’izay miverina miasa dia nilaza ny biraon’ny SIFM omaly fa hiverina miasa telo andro ao anatin’ny herinandro ny PARAMED mitana CSB saingy tsy mandefa tatitra ny asany. Miasa tapakandro ny alatsinainy, alarobia ary alakamisy ireo PARAMED amin’ny ivontoerana tsy ilana fiandrasan-draharaha raha amin’ny 06 ora hariva kosa no manomboka ny fiandrasan-draharaha eny anivon’ny hopitaly. Isaky ny talata sy zoma kosa ny fitokonana amin’ny alalan’ny “sit-in”. Hataon’izy ireo tontolo andro maty kosa ny 10 sy 11 septambra. Raha toa ka tsy misy ny fiovan-kevitry ny ministera manoloana ny fitakiana dia milaza ny hiroso amin’ny dingana avo kokoa ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.