Mihatra aman’aina ny tsy fisiana ho an’ireo Paramed tapaka karama nanomboka tamin’ny volana aogositra izay misy 76 manerana ny Nosy.
Mbola misy hafa ankoatra ireo aza saingy mbola eo am-panangonana ny tatitra ny biraon’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona mpiasam-panjakana na SISFM amin’izao. Sady tsy manan-katokona izahay no tsy afa-mianatra ny zanakay satria tsy misy ny vola, hoy i Valérien Rakotonandrasana, filohan’ny fikambanan’ny Paramed namintina ny fahoriana mianjady amin’izy ireo. Hitondra izay fahasahiranany lalina izay eo ambany mason’ireo tomponandraikitra ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana ireo Paramed tapaka karama ombam-bady aman-janaka ny zoma 19 oktobra izao.
Miantso ireo rehetra tsy manan-katokona koa ry zareo hanotrona azy amin’izany. “Haseho ireo lehibe mihitsy fa tsy misakafo ny ankohananay amin’ny alalan’ny fahandroana vilany vida (foana) ary matoa koa tonga eny ny zanakay dia tsy mianatra izy ireo izay”, araka ny fanazavan-dRakotondrazafy Aimé, filohan’ny SISFM. Manomana hetsika fitadiavam-bola ihany koa anefa ry zareo na izany aza izay tontosainy amin’ny zoma 02 novambra izao. Ny 17 oktobra kosa dia samy manatanteraka vavaka iraisam-pinoana ny Paramed manerana ny nosy. Marihina fa mbola mitohy ny “service minimum” amin’izao izay hivadika ho “sit-in” isan’andro aorian’io hetsika “vilany vida” io . Nasian’ny SISFM resaka ihany koa ny votoatin’ny fikaonandoham-pirenen’ny mpiasam-panjakana na “Conférence nationale des fonctionnaires” farany teo izay raisiny ho fandrebirebena sy famonoana afo ny tolona nataon’izy ireo.
Hatramin’izao mantsy dia tsy misy resaka akory ny fananganana ny komity mpanoratra ny fehin-kevitra tapaka sy ny komity mpanaramaso. “Nanapa-kevitra ny hangina mihitsy izahay nandritra ny iray volana ka niandry hatramin’ny faran’ny septambra teo. Izay tomponandraikitra mpikarakara sy ny eo anivon’ny fanjakana nanontaniana ny tohiny dia nanao fampanantenana poakaty avokoa. Tsy misy na inona na inona tohiny akory”. Tondroin’izy ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpitondra amin’ity raharaha ity ny sendikan’ny mpiasam-panjakana sasany izay mivarotra ny tolona amin’ny seza.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.